- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMicrocred : Nidoboka am-ponja ny « superviseur » ao Mahajanga

Microcred : Nidoboka am-ponja ny « superviseur » ao Mahajanga

Omaly no vita tanteraka ny fanolorana ny fampanoavana ireo rehetra izay voarohirohy ho tompon’antoka, na mivantana na an-kolaka tamin’ny fanafihana ny orinasa Microcred tany Mahajanga. Isan’ny nidoboka am-ponja ilay mpanamarim-bola (superviseur) teo anivon’io orinasa miompana amin’ny fampindramam-bola madinika io. Tamin’ireo olona 20 izay nohainoan’ny mpitsara dia ny dimy tamin’izy ireo no nahazo fahafahana vonjimaika mandram-pahatongan’ny fotoam-pitsarana. Tsy mbola hita kosa izay nanjavonan’ny ambim-bola izay mbola an-jatony tapitrisa ariary hatreto. Tamin’ny 256 tapitrisa ariary izay voaroba mantsy dia vao ny 20 tapitrisa monja tamin’izany no hita. Nankaiza ny volabe? Hatreto dia mbola misy olona telo karohina momba ity raharaha ity ary mandram-pahazoana azy ireo dia atsipy any aloha izany ny rihitra rehetra, ny amin’izay mety ho tsy fahampiana tamin’ity volabe ity. Ity tranga ity manaporofo fa matetika dia miainga avy ao anatin’ny orinasa izay tafihina ihany no misy ny atidohan’ny asaratsy. Tsikaritra ho efa maty paika ny fanafihana raha oharina tamin’ny lisitry ny olona izay nosamborina sy ny anjara asany avy. Tao ny niantoka fiara fotsiny, ny niantoka trano hiafenana aorian’ny fanafihana, ny fitaovam-piadiana izay sady nisy poleta no nisy kalachnikov ary nisy hatramin’ny “fusil à pompe” aza. Ireo basy rehetra ireo dia samy nisy bala avokoa. Midika izany fa tena vonona tanteraka ny hiady ireo olon-dratsy. Ankoatr’izay, raha araka ny fanazavan’ny polisy, dia mbola nisy koa ny olona izay efa nisazy no mbola namerin-keloka indray. Ary fanafihana mitam-piadiana hatrany no nampiditra am-ponja azy. Tsy ampy ireo olona ve ny sazy nitazomana azy tany am-pigadrana sa kosa tsy misy afa-tsy ny mandrafitra fanafihana hafa ary koa manitatra tambajotra ny ataon’ireo any am-ponja any?

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici