- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-Divers« MICTSL » Toamasina : Tonga ny ampahany voalohan’ireo fitaovana fibatana kaontenera

« MICTSL » Toamasina : Tonga ny ampahany voalohan’ireo fitaovana fibatana kaontenera

Isan’ny nahazoan’ny orinasa Mictsl izay misahana ny fitantanana sy ny fikirakirana kaontenera eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny olana tamin’ny fahasimban’ireo fitaovana nampiasainy ka niteraka fitarazohan’ny famoahana sy fampidirana entana teo anivon’ny seranan-tsambo, ka niteraka fitarainana maro tamin’ireo mpandraharaha sy mpanafatra entana ary ireo mpitatitra.

Efa nanome toky anefa ny orinasa Mictsl, satria efa nisy ny fanokanana vola 12 tapitrisa dolara teo anivon’ny orinasa hanaovana ny fanatsarana ny fitaovana fibatana ny entana, ka ankehitriny dia tonga ny ampahany voalohany amin’izany fitaovana fibatana entana izany, izay nentin’ny sambo « Msc Jeanne » ny faran’ny herinandro teo. Vao tafidina avy ao anaty sambo ireto fitaovana vaovao ireto dia avy hatrany dia niasa, ka ny sambo nitondra azy ihany no nanaovany izany voalohany.

Misy karazany telo ireto fitaovan’ny Mictsl vao tonga ireto dia ny “reachstacker” izay mahazaka kaontenera 45 taonina ary natao hikirakirana ireo kaontenera feno entana; eo koa ny “empty handler” izay fitaovana kosa hisahanana ireo kaonterana foana ary afaka mametraka izany hatrany amin’ny rihana fito be izao; ary eo ny fibatana kaontenera avy ao anaty sambo “twin lift” izay mahavita mitatitra kaontenera 18 hatramin’ny 24 isaky ny ora, arakaraka ny haben’ny sambo iasany.

Ampahany voalohany amin’ny fitaovana nohafaran’ny orinasa ihany izao tonga izao, fa ho avy ny faran’ny taona izao ny ampahany manaraka izay hisahana kosa ireo kaontenera hanjifana ireo mpitatitra. Efa afaka hamaha tsikelikely ny olana sy hanafainganana ny fitsinjarana ireo kaontenera nisy, izay nahatonga ny orinasa nahazo tsiny betsaka tamin’ireo mpandraharaha sy ny tompon-tsambo ary ireo mpitatitra mihitsy tamin’ity taona ity ireto fitaovana ireto, araka ny fanazavana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici