Fifandonana mahery vaika no niseho tamin’iny faran’ny herinandro iny, tany Lavaraty, Midongy Atsimo, teo amin’ny dahalo tetsy ankilany, ary ny fokonolona sy ny zandary tetsy andaniny. Vokany, zandary telo lahy no naratra mafy, bala maromaro no very. Araka ny fampitam-baovao azo dia nisehoana fanafihan-dahalo tao amin’io toerana io ny alin’ny sabotsy hifoha alahady. Dahalo mbola tsy fantatra isa no tonga nanafika io tanàna io. Nanantanteraka ny fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona sy ny zandary fito lahy avy amin’ireo borigadin’ny zandary any an-toerana ny alahady maraina. Rehefa niroso anefa izy ireo dia nohodidinin’ireo dahalo, ka raikitra ny fifandonana. Tao anatin’izay no nisy tamin’ireo zandary tafasaraka tamin’ny namany, ka tamin’izany no namparatra azy ireo. Voan’ny tora-defona sy ny famaky. Afaka tamin’izany ihany anefa ireto zandary telolahy ireto nony maraina ny andro ary afaka namonjy ny namany. Tamin’io fotoana io ihany koa no nahavery ny fitoeram-balan’izy ireo. Nentina namonjy toeram-pitsaboana teo an-toerana ihany moa izy telolahy ireto talohan’ny nandefasana azy any Vaingandrano, araka ny fampitam-baovao azo hatrany. Mbola mitohy kosa hatramin’ny ora nanoratanay ny fanarahan-dia ataon’ireo fokonolona miampy ireo zandary hafa nalefa any an-toerana.
m.L