Raim-pianakaviana iray no namoy ny ainy vokatry ny tifitra variraraka nahazo azy. Io no vokatry ny fanafihan-jiolahy maherivaika nitranga tao amin’ny fokontany Morondava Nosifeno, any amin’ny distrikan’i Midongy Atsimo, ny alahady teo. Jiolahy efatra nitondra basy no nanafika tokantrano iray tao amin’ny tanànan’ Ambinany. Lasan’ireo jiolahy tamin’ity fandrobana niharo vono olona ity ny lelavola mitentina 1 400 000 Ariary. Raha ny vaovao voaray dia tsy tratra intsony ireo jiolahy nanafika tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpitandro filaminana teny an-toerana. Raha ny fantatra dia nihazo ny kaominina Ankazovelo ny lalan’ireo olon-dratsy, ka raikitra avy hatrany ny fanarahan-dia.
Eric Manitrisa