- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMidongy Atsimo : Maty nisy nitifitra ny « médecin inspecteur »

Midongy Atsimo : Maty nisy nitifitra ny « médecin inspecteur »

Taitra ny vahoaka teto farafangana ny antoandron’ny omaly. Nitangrona teo an-tokotanin’ny foibem-paritry ny fahasalamana eto Farafangana ny olona ary niely ny feo fa misy olona voatifitra avy any Midongy. Rehefa nohamarinina dia tao amin’ny efitrano malalaka fivorian’ny mpiasan’ny fahasalamana dia ny nofo mangatsiakan’ny Médecin Inspecteur no nivalampatra teo. Ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpitandro filaminana no nahafantarana fa tokony ho tamin,ny 9 ora sy 30 minitra no nisy nitifitra teny amin’ny lalam-pirenena faha-27 mankany vondrozo, 500m miala eo amin’ny sampanana mankany manakara. Izany hoe teo Farafangana ambony vohitra. Kapoka amin’ny hatoka sy tifitra amin’ny lohany no nahalavo azy. Araka ny feo mandeha dia nisy olona telo niaraka taminy, ka ny iray teo alohany ary roa tao aorinany. Tsy nisy hita ny nanjavonan’ireo olona telo ireo. Fanontaniana mbola tsy ahitam-baliny ny hoe hanao inona tany amin’io toerana somary mihataka ny tanàna io. Ao ny milaza fa toa resaka hividy tany, ao ny hoe hividy vato. Ny fanadihadiana hataon’ireo mpitandro filaminana, izay mandray an-tanana ity raharaha ity, no hahitana ny marina. Niatrika fivorana teto Farafangana itompokolahy ary nikasa hiakatra tany fianarantsoa izao tra-doza izao.

Roger Randrianambiny

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici