- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMidongy Atsimo : Mpamatsy basy dahalo voasambotra niaraka tamin’ny fanamiana miaramila

Midongy Atsimo : Mpamatsy basy dahalo voasambotra niaraka tamin’ny fanamiana miaramila

Lehilahy iray voalaza ho mpamatsy basy sy rongony ary fanafody gasy ny dahalo any amin’ny distrikan’i Midongy Atsimo, no voasambotry ny mpitandro filaminana nandritra ny hetsika fampandrian-tany, ny herinandro lasa teo. Tafaporitsaka kosa ny roalahy namany. Araka ny loharanom-baovao, dia mpampanofa basy sy mpivarotra basy sy rongony no asan’ireto telolahy. Manodidina ny 6 hetsy ka hatramin’ny iray tapitrisa ariary no amarotan’izy ireo izany. Raikitra avy hatrany ny fisamborana taorian’ny fanomezam-baovao marim-pototra, ny mpitandro filaminana. Nohodidinin’ireto farany ny trano iray ao an-tampon-tanànan’i Midongy Atsimo fieren’ireo mpibizina basy. Tamin’ny fotoana nisavana ny trano no tafatsoaka ny roalahy raha azo sambo-belona ity iray. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia mbola nahitana fanamiana miaramila maro, rongony ary karazana mohara tao. Anisany antony iray mampirongatra ny asan-dahalo sy asa ratsy hafa any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy iny ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana sy zava-mahadomelina. Miandahy miambavy ireo malaso mampihorohoro mampiasa basy sy zava-maranitra ary ody bala.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici