- Publicité -
samedi, mai 24, 2025
AccueilFaits-DiversMidongy Atsimo : Rangahy namono zazavavy 4 taona, matin’ny fitsaram-bahoaka

Midongy Atsimo : Rangahy namono zazavavy 4 taona, matin’ny fitsaram-bahoaka

Nivadika ho disadisam-piaraha-monina niafara tamin’ny vono olona ny nahafaty ankizivavikely 4 taona voalaza fa namosavian’ny rangahy iray mpifanila vodirindrina taminy. Nosamborina ity farany dia nosaziana nandoa vola roa tapitrisa ariary. Avy eo novonoina noho ny dina misy. Tsy nanaiky ny havany ka nisambotra ny namono azy. Teo no nanomboka ny sakoroka ka tsy maintsy nalefa haingana tany Vangaindrano ny voarohirohy. Tsy nahafaly ny havany maty izany ka vantan-dehilahy 400 lahy nandeha tany an-toerana nitaky ny hamoahana an’ity voalaza fa mpampono olona hatao fitsaram-bahoaka. Noho ny tahotra dia nivory haingana ny « OMC » ka nalefa any Farafangana renivohitry ny faritra Atsimo Atsinanana ny voatazona ary natolotra ny fitsarana omaly ihany. Raha ny fampitam-baovao voaray farany avy any Vangaindrano dia voafehin’ny tomponandraikitra any an-toerana ny savorovoro saika hivadika korontana.
Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser