Faritra maro eto amin’ny Nosy no ahitana sy andrenesana asan-dahalo saika isan’andro. Zandary iray no maty ka tafaverina ihany rehefa notazomin’ireo dahalo ny fatin’ilay zandary GP2C ny alin’ny alakamisy lasa teo, tokony ho tamin’ny valo ora. Efa nalefa any Ampasimanjeva distrikan’I Manakara ny zoma lasa teo ihany ny razany ary io andro io ihany koa no tafaverina ireo zandary roa lahy voalaza fa tsy hita nandritra ny fifanjevoana tamin’ny malaso, izay niafina tany anaty bozaka 100 metatra miala ny tanàna nisian’ny fifampitifirana. Araka ny voalazan’ny iray amin’ireo zandary tafaverina ireto dia matin’izy ireo ilay malaso nitifitra ka nahafaty an’ity GP2C ity. Azon’izy ireo ihany koa ny basy nentin’ilay dahalo maty, raha araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana.
Manitrisa