- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversMidongy Atsimo : Zazalahy 14 taona nataon’ny dahalo takalon’aina

Midongy Atsimo : Zazalahy 14 taona nataon’ny dahalo takalon’aina

Dahalo maherin’ny 120 no nanafika tao Mahabe Midongy Atsimo ny harivan’ny 16 desambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 5 ora. Tsy vitan’ny nangalatra omby izy ireo fa naka ankizilahy 14 taona natao takalon’aina. Tsy navotsotr’ireo dahalo ilay tovolahy raha tsy nanome omby efatra ny ray aman-dreniny. Nopotehin’ireto malaso ireto ihany koa ny fitaovam-pifidianana rehetra tao amin’ny biraom-pokontany. Noho ny tahotra dia nitsoaka ny tanàna ny mponina ka nanaram-po ireo olon-dratsy. Omby 95 no lasan’ireo malaso tamin’ity fanafihana ity, hoy ny fampitam-baovao avy any an-toerana.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser