- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-Divers« Mifohaza Toamasina » : Hotsaraina rahampitso i Kamy

« Mifohaza Toamasina » : Hotsaraina rahampitso i Kamy

Notazomina tao amin’ny zandary, nentina fampanoavana ary nahazo fahafahana vonjimaika, saingy arahin’ny fitsaràna maso. Izay raha fintinina fohy no nahazoan’iKamy Mickaelys Ndiamahazo, mpanao gazety sady mpisintona lakolosy fanairana amin’ny tambajotra sosialy. Anio no hiakatra eo anivon’ny fitsaràna ady heloka tsotra ny raharaha ary ny antony anenjehana azy dia ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka. Izany dia avy amin’ny fanasiany « Mifohazary Toamasina » tamin’ny fizaram-baovao sasantsasany nataony tamin’ny tambajotra sosialy. Ny mpitory indray dia tsy fantatra velively hatreto. Ny hany fanazavana azo dia ny hoe fanadihadiana nosokafan’ny zandary na tsy nisy mpitory aza. Ny mpisolovava an’iKamy, Me Berthieu Ramahefasoa dia nanamafy izany koa. Amin’ny mpanara-baovao dia endrika iray entina hampanginana an’i Kamy ihany ity raharaha ity. Tsy voalohany mantsy io mpanao gazety no niharan’ny antsonjay toa izao saingy afaka hatrany rehefa feno ny porofo tamin’ny fizaram-baovao nataony. Mitodika ao Anosy indray ny mason’ny  mpanaraka an’iKamy, izay efa mahatratra 40.000 isa amin’ny tambajotra sosialy, ankoatra ny mpanara-baovao tsotra sy ireo mpanao politika sasany izay nivoaka tamin’ny fahanginany tamin’ity raharaha ity.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici