- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha fanafihana teto Toamasina : Mifonja 10 taona asa an-terivozona ao Ambalatavoahangy...

Raharaha fanafihana teto Toamasina : Mifonja 10 taona asa an-terivozona ao Ambalatavoahangy izy roa lahy

Natao nandritry ny andian’ny voalohan’ny fitsarana ady heloka bevava ny fitsarana ambony teto Toamasina, ny fitsarana ilay raharaha fanafihana mitam-piadiana sy fanaovana fikambanan-jiolahy tamin’ny mpamongady iray teto Toamasina. Roa lahy sy vehivavy tsy ampy taona iray tamin’ny fotoana ny raharaha ireo voasambotra tamin’izany, izay napangain’ny “bar à pince” sy vola fito tapitrisa tany amin’izy ireo tamin’izay fotooana izay, ary izay naha-voasazy vonjy maika azy roa lahy taorian’ny 21 novambra 2021 nitrangan’ny fanafihana.

Samy nohenoina avokoa moa izy rehetra ireo saingy ilay tsy ampy taona kosa miandry ny mpitsara ankizy tsy ampy taona hitsara azy dia ho fantatra ny sazy hiatra aminy, ka nahemotra ny fotoam-pitsarana azy tamin’ity raharaha ity. Tamin’ity raharaha ity dia tsy nilefitra mihitsy ny fampanoavana ambony noho ny firogatry ny fanafihana mitam-piadiana sy fanaovana fikambanan-jiolahy ary ny resaka famakiana trano mampiasa herisetra ka mandratra olona. Niezaka ny niaro azy ireo anefa ny mpisolovava, nefa raha nandray ny fanapahan-keviny ny mpitsara sy ireo mpitasara mpanampy azy taorian’ny fisitahana kely, dia ny didy nivoaka dia mifonja 10 taona asa an-terivozona ao Ambalatavoahangy izy roa lahy ireto, ilay fahatelo kosa mbola miandry ny famoahan’ny mpitsara ankizy tsy ampy taona.

Fantatra tamin’ity raharaha ity ihany koa, fa tamin’ireto mpiambina tsy miankina roa lahy voasazy ireto no nametrahan’ireo jiolahy ny fitaovana fampiasany ho ampiasaina mandritra ity fanafihana tranom-barotra ity. Entana maro mitentina 75 tapitrisa ariary no nanjavona tamin’io 21 novambra 2021 nitragan’ny fandrobana io. Tamin’ity fitsarana ity koa no nahalalana fa ny fisavana natao tamin’izy roa mpiambina ireo no nahatratarana ilay vola 7 tapitrisa izay nomen’ireo jiolahy ireo ho anjarany sy ilay “bar à pince”. Milaza ny hiverina moa ireo jiolahy fa saingy mandraka ity ny androany tsy hita intsony, ka ireto roa,lahy mpiambina ilay magazay indray no mifonja asa anterivozona 10 taona.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici