
Efa tsy hain’ny olona tratra alina intsony ny atao, fa izay lalana aleha rehetra dia efa tsy hatokisana amin’ny fanendahana andro alina intsony. Ny eo amin’ny tetezan’ny fokontany Verrerie no lasa miha mahery vaika ankehitriny, satria raha manendaka fotsiny ireo zatovo ireo teo aloha, ankehitriny lasa mandratra olona mihintsy izy ireo, na efa anaty Tuc-Tuc aza ny olona mody eny mazana. Ny alahady teo tokony tamin’ny 09ora sy tamin’ny 10ora alina dia olona telo no voaendaka teo amin’ity tetezana Verrerie ity. Avy hatrany dia mangataka vola na zavatra sarobidy eny amin’ilay tiany hendahana ireo mpanendaka, ka raha tsy manana ilay olona dia avy hatrany dia ampiasany ny zava-maranitra eny aminy ka firainy amin’ny antsy. Lehilahy iray tratra alina no saika voafira teo amin’ny tongony saingy voasakany izany, ka ny tananany indray no naratra voafirain’ilay antsy. Tsy nahazo vola tamin’ity lehilahy ity ireo mpanendaka dia saika ilay vary nentiny tao anaty sakosy nentiny no saika alain’ireto mpanendaka saingy tsy lasany fa nosakanany. Tsy afaka nanomnjy mpitsabo moa ilay rangahy noho resa-bola tsy nisy, ka ny namonjy fodiana no nataony hanavotana aina. Manao antso avo noho izany ireo mpampiasa iny lalana amin’ny tetezan’ny Verrerie, mba hanao fanaraha-maso amin’iny isaky ny alina ny mpitandro filaminana, fa mitaitaina foana ireo mpampiasa izany lalana izany isaky ny tratra alina amin’ny asa aman-draharaha ataony.
Malala Didier