- Publicité -
samedi, novembre 8, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFokontany Ambalamanasy Toamasina : Mijaly noho ireo jiolahy mpamaky trano ireo vahoaka

Fokontany Ambalamanasy Toamasina : Mijaly noho ireo jiolahy mpamaky trano ireo vahoaka

Mitaraina saika isan’andro ireo vahoaka monina ao amin’ny fokontany Ambalamanasy Toamasina renivohitra, noho ireo andian-jiolahy mpamaky trano manao ny asa ratsiny saika isan’andro mihintsy. Mitaraina amin’ny filoham-pokontany saika isan’andro izy ireo saingy tsy misy mihaino mihintsy, satria araka ny nambaran’izy ireo dia hono ny tranon’ilay filoham-pokontany mafy be ny hidin’ny varavarava sy varavarakeliny, ka tsy mivaky loha an’ny vahoaka ny tenany. Ny fanazavana tamin’ity olona tsara sitra-po ity dia vao tsela izay nisy namaky ny trano teo akaikin’izy ireo saigy tsy tafidita ireo andian-jiolahy, raha tsy nahazo sy tsy tafiditra tao izy ireo dia ny trano nisy ity olona tsara sitra-po mitaraina ity no nezahan’ireto andian-jiolahy novakiana ny tranony. Tsy tafiditra ihany koa ireto andian-jiolahy noho zy ireo efa niandrasan’ireto olona ireo ka lasa nitsoaka ihany koa ary nifindra gafa indray nandritra izany saingy efa nisy mpiandry ihany koa. Tsy vitany andro ireto andian-jiolahy tonga nanakorontana azy ireo fa saika isan’andro mihintsy saingy tsy mety tafiditra mihintsy fa hainon’izy ireo hatrany ka niambesany ny fidirany ao an-trano. Ao anatin’izany rehetra izany dia manao antso avo amin’ny mpitandro filaminana sy izay mahatsapa tokony hiaro azy ireo ireo vahoaka ao Ambalamanasy ity mba hiaro azy ireo fa efa tsy milamina mihintsy ny tany sy ny torimasin’izy ireo vokatra ireo andian-jiolahy ireto. Voalaza fa mandry andranan’antsy vokatra izany izy ireo isaky ny alina ny andro.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici