
Niroso tamin’ny fitokonana faobe ny mpampianatra sy mpandraharaha ao amin’ny Lisea André Resampa Antsirabe nanomboka omaly Alatsianiny atoandro. Mikatona avokoa ny lakilasy hoy ireo mpitari-tolona mandra ny fotoana tsy voavetra, tsy misy na “service minimum” aza. Fiombonana amin’ireo mpanabe rehetra eto amin’ny Nosy sy ny mpandraharahan’ny fanabezana izao fitakiana atao izao. Miisa 14 ny teboka takian’ny mpampianatra sy mpandrahara izay mivaky toy izao
Takian’ireto mpitolona ireo ny fanondrotana karama mifanaraka amin’ny traikefa amin’ny asa sy ny fametrahana amin’ny tokony ho izy ny “alignement des grilles indiciaires”. Ny fandoavana ny indamnité rehetra tokony ho an’ny mpampianatra “transport, copie, encadrement” sy ny maro hafa.
Foany ny « frais de validation fa vesatra ho an’ny efa integré ny fandoavana izany.
Fanatanterahana ny integration amin’ireo efa ela niandrasana ny fanekena ara panjakana sy ny « avancement automatique »
Ny fandraisana ireo mpampianatra sy mpandraharaha
Fanafoanana ny “contractuel” fa tonga de integration avy hatrany rehefa vita ny “stage”
Fampiakarana ny volan-jaza hifanaraka amin’izao vanim-potoana hiainantsika izao.
Fanafangainana ireo efa nahavita “classement” na nahazo diplaoma vaovaoa.
Fampiakarana ny hofatrano na « indemnité de logement » ho 300 000ar
Fanomezana fiofanana mitohy hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana
Fanomezana « rubrique spécifique » ho an’ny mpiasan’ny MEN
Fanomezana mari-boninahitra ho an’ireo mpampianatra tokony hisitraka izany
Fametrahana rano 24 ora hanatsana ny fahadiovan’ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ny sekoly.
Nanambara Atoa provisera an’ny LARA Kassam fa malalaka ny safidin’ireo mpampianatra sy mpandraharaha na hanao fitokonana na tsia.
Tsiahivina fa efa nisy dingana natao nialovan’izao fanambarana sy fitokonana faobe izao saingy niharan’ny tsidry ireo nanao fitakiana ka tsy afa nanoatra, ankehitriny malalaka ny fanehoan-kevitra ka niroso tamin’izany ireto mpampianatra sy mpandraharaha ao amin’ny LARA ireto.
Andry N.