- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversMama Razanamaria Germaine : « Mila Praiminisitra hifanarahana sy tetezamita telo taona i...

Mama Razanamaria Germaine : « Mila Praiminisitra hifanarahana sy tetezamita telo taona i Madagasikara »

Namoaka ny faminaniana sy ny fahitana azony tamin’Andriamanitra i Ramatoa Razanamaria Germaine na i Mama Germaine teto Toamasina tao amin’ny trano fonenany. Nambarany tamin’izany fa “mila tetezamita telo taona…, sy praiminisitra hifanaraha i Madagasikara” araka ny faminaniana sy fahitana nambara taminy, hialantsika amin’izao zava-misy ankehitriny ao anaty fahantrana lalina iainana ny Malagasy izao.

Araka ny nambaran’ity Mama Germaine ity tamin’ny mpanao gazety dia “mila mampihatra ny fihavanana sy ny firaisan-kina ary mila miverina amin’Andriamanitra ny Malagasy”, fa ny fandavantsika ireo dia mbola hiaina ao anatin’ny fahatrana hatrany ny Malagasy ary ho avy eto amintsika ny korontana ara-tsosialy sy ny ady an-trano. “Tsy mahantra ny Malagasy fa nampahantraina” hoy hatrany i Mama Germaine, ka “ho avy i Andriamanitra hannafaka ny Malagasy eo ambany ziogan’ny satana mpampahantra azy toy izao”, hoy hatrany ny tenany. Marina hoy i Mama Germaine fa ho very hevitra ny rehetra ao anatin’izany, isan’izany ireo mpisorona sy ny mpitondra ary ny vahoaka, ka lasa hifanaratsy fotsiny.

Nefa voalaza fa “ho avy ilay nahary izao tontolo izao hanangana ny rava sy nopotehin’ny satana” hoy hatrany i Mama Germaine. Ho tanteraka ireo voalaza rehetra raha mifanantona miresaka ny samy mpitondra sy ny mpanao politika ary ny vahoaka sy ny mpitondra, eo koa ny mpitondra fivavahana sy ny mpitondra mandinika ny fampihavanana ny samy Malagasy. Nomarihan’ny Mama Germaine fa efa betsaka ny taratasy nalefany tamin’ny filoham-pirenenna sy ny FFKM mikasika ity fahitany sy ny faminaniana nomena azy manokana ity, na an-taonany maro no naharaisany izany faminaina sy fahitana manokana izany. “Tian’Andriamanitra atao ohatra i Madagasikara satria tiany loatra isika”, hoy hatrany Mama Germaine, ka tsy isika indray no tsy hanaraka izany voalaza izany.  

Noho ireo faminaniana sy fahitana voarainy ireo dia anjaran’ny Malagasy no mandray izany sy manatanteraka izany, araka ny fahitana sy faminaniana voarainy tamin’ny taona 2002 ireny; fa raha manao be loha ny mpitondra tsy manatanteraka izany dia ady an-trano sy korontana no hitranga eto ka tsy hisy ahita tombontsoa ao anatin’izany. Vao maika ary faharavana sy fahantrana no iainan’ny Malagasy hoy hatrany i Mama Germaine.

Efa hatramin’ny taona 1997 no nanao izao fanambarana noho ny fahotany sy ny faminaniana azony izao ny tenany, araka ny olona mandray sy mino izany. Nefa nomarihany fa nitranga avokoa izay nambarany hatramin’izay, satria Andriamanitra no maniraka azy miteny ireny fanambarana sy fahitana lazainy rehetra ireny. Nisy ary fotoana nasaina nialany tamin’ny asany, ka izy mivady mihintsy no indray niala amin’ny maha-mpitsabo azy tamin’izay.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici