- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMilaza fa mahay manangana ny maty : Ramatoa iray nosamborin’ny zandary tany Sambava

Milaza fa mahay manangana ny maty : Ramatoa iray nosamborin’ny zandary tany Sambava

Ramatoa iray voalaza fa « fenon’ny fanahy masina, mahay mitsabo sy manangana ny maty » no voatery nosamborin’ny zandary tao an-drenivohitry ny faritra SAVA tao omaly. Fisolokiana hatreto no antony hanenjehana azy.

Ny alakamisy lasa teo ity farany no efa nianjeran’ny hatezeran’ny fianakaviana iray tao Sambava ary saika niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka mihitsy izany. Teo no niditra an-tsehatra ireo mpitandro filaminana tany an-toerana ary voatery nisambotra azy. Ny zava-nisy, araka ny fampitam-baovao azo tany an-toerana : nitsabo ramatoa lehibe iray tao amin’io toerana io ny tenany, izay nentin’ny fianakaviany ihany ny voaloandohan’ny volana aprily teo. Niha-nihombo hatrany anefa ny aretin’ity ramatoa be ity saingy nilaza hatrany ilay vehivavy « mpanasitrana » fa vitany hoe, ny manasitrana ilay vehivavy ary nisisika mafy mihitsy ny tenany. Tsy nety sitrana anefa ilay ramatoa ary efa hita fa efa am-bavahoana. Teo no voalaza fa nakan’ilay ramatoa kely vola aman’hetsiny ny fianakaviana fa tsy maintsy sitrany ilay havan’izy ireo ary sanatria ka maty dia hoe toa hainy ny manangana azy amin’ny maty. Niandry teo ireo fianakaviana ary nitranga tokoa ny nahiana satria dia namoy ny ainy ilay vehivavy lehibe notsaboiny. Niandry amin’izay ary ireo fianakaviana ny hananganana ny havan’izy ireo nodimandry saingy zava-tsarotra ihany aloha izany. Tezitra tamin’izay ireto farany ary nikasa ny hamono ilay ramatoa mpitsabo, raha tsy tonga avy hatrany ireo zandary tany an-toerana. Efa eny am-pelatanan’ireo farany moa ity ramatoa mpitsabo milaza fa mahay manangana ny maty ity ary efa mandeha ny famotorana azy. Hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela ny raharaha aorian’izay.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici