- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversMinisiteran’ny fahasalamana : Tompon’andraikitra ambony MD

Minisiteran’ny fahasalamana : Tompon’andraikitra ambony MD

Nandalo teny amin’ny fampanoavana momba ny ady amin’ny kolikoly ary nidoboka vonjimaika etsy amin’ny fonjan’Antanimora ny tompon’andraikitra momba ny fitantanam-bola sy ny fitatanan-draharaha eo anivon’io minisitera io. Mahakasika ny fanodinana fiaram-panjakana izay miisa dimy be izao izany. Fiara izay fanomezana avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana ireo nahodina ireo. Ny fomba nanaovana an’izany dia nafenina amin’ny hoe nalefa eny amin’ny garazy mba hamboarina. Tsy nisy akory anefa ny taratasy izay manamarina an’izany, izany hoe mitovy amin’ny tsy hita popoka ny fiara. Isan’ny nosamborina koa ary niara-nidoboka eny Antanimora ny tompon’ny garazy noho ny firaisana tsikombakomba tamin’ny fanodinana fiaram-panjakana. Maromaro izay mpiasam-panjakana nidoboka am-ponja izay tato ho ato ary tsikaritra fa tena manomboka mihamafy ny ady amin’ny kolikoly eny anivon’ny biraom-panjakana. Manomboka mahavelom-panantenana ny olon-tsotra sy ny mpanara-baovao ny ezaka toa izany satria mitady ho lasa kolontsaina tanteraka ny kolikoly eto amintsika.   

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

  1. Tsy vitsy ‘reo olona manorina ny fananany amin’ io fomba fanodikiodinana fananam-bahoaka io.
    Misy any Minisitra tamin’ny 2ème République sady nanodina fiaran’ ny ministera no nanodina trano nipetrahana CSR teo aloha tamin’ny fotoana androny fa mbola mandeha any foana hatreto no sady lasa trano fonenany. Misy 30 ans fotsiny. Dia ho gaga ve Raha mihamahantra hatrany ny FIRENENA ?

  2. Ao amin’io Ministère io mihintsy no tena mbola manjaka be ny kolikoy na eo amin’ny fandraisana mpiasa izany na eo amin’ny fafiny fitsaboana ary aza manantena tafiditra ao ianao na tsy mahalala olona.Ao no misy annonce mitady mpiasa izany, olona maro no tadiavina ka maro ny mpanatitra dossiers fa ny valiny tsy hitanao fa hoe efa nantsoina fotsiny izay voaray fa tsy hitanao ny liste an’izany hoe mipetaka ao.

  3. Ao amin’ity mistère ity mihintsy no mbola manjaka be ny kolikoly indrindra eo amin’ny fandraisana mpiasa sy eo amin’ny lafiny fitsaboana. Misy filazana fandraisana mpiasa fa tsy hita izay liste ny voaray fa vitan’ny hoe efa nantsoina par téléphone dia ireo mpanatitra dossiers amin’io miandry tsy misy intsony.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici