- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversMinisiteran’ny Fiarovam-pirenena : Notolorana mari-pahakasitrahana ireo niady tamin’ny Covid-19

Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena : Notolorana mari-pahakasitrahana ireo niady tamin’ny Covid-19

« Mbola tsy vita akory ady saingy azo lazaina fa efa resy tosika ny fahavalo ka isaorana antsika rehetra». Izay raha fintinina ny lahateny nataon’ny Jeneraly Rakotonirina Richard, Minisitry ny fiarovam-pirenana omaly, raha nisaotra sy nankasitraka ireo mpitsabo miaramila sy sivily nandray anjara mavitrika tao anatin’ireny ady mahamay niatrehana fahavalo tsy hita maso ireny, omaly nandritry ny lanonana tsotsotra, notantanterahana tetsy amin’ny hopitaly miaramila Cenhosoa Soavinandriana. Teo anatrehan’ny ady natrehan’ny firenena niatrehan’ny valanaretina Covid-19 tokoa, dia nandray anjara mavitrika ary tsy nitarain-tana-miempaka ny teo anivon’ny Tafika, ny Zandary ary ny pôlisim-pirenena. Fa indrindra ireo mpitsabo miasa eny anivon’izy ireny na miaramila io na sivily. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ireo niasa teo anivon’ny BIS, ny CTC, ny toeram-pitiliana tetsy amin’ny Village Voara, ny fanangonana ny antontan-kevitra rehetra tetsy amin’ny Lapan’ny fanantanjahantena sy tamin’ireo rantsa-mangaika isan-karazany izay naorin’ny Fanjakana nentina niadiana tamin’ity valanaretina ity. « Efa hita sy tsapa fa  tena mihena dia mihena tokoa ny tahan’ireo olona voan’ity areti-mandoza ity, ary azo lazaina fa voafehintsika izany tamin’ny alalan’ny CVO dia nanapa-kevitra ny Filoham-pirenena ny hanakatona ireto rafitra natsangana rehetra ireo (…) Tsy maintsy tolorana fankasitrahana ireo nisehatra rehetra tamin’izany, ka izay no antony nahangotavanay». Tonga nanatrika ity fotoana miavaka ity moa ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta, izay nahitàna ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Minisitry ny Fahalasamana, ny Minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ary ireo tompon’andraikitra ambony isan-tsokajiny avy. Nahatratra teo amin’ny 650 olona teo ireo mpitsabo miaramila sy sivily nobaikoina teo anivon’ny Tafika ary notolorana mari-pahankasitrahana omaly. Nomena voalohany izany ny Tale jeneraly miadidy ity hôpitaly miaramila ity ary nanaraka azy ireo ambiny; izay notoloran’ireo tompon’andraiki-panjakana nanatrika izany lanonana izany tsirairay ! Ankoatr’izay, dia nisy ny fanomezana fitaovana ara-pahasalamana nomena ity hôpitaly miaramila ity sy ireo toeram-pitsaboana miaramila hafa. Fantatra ihany koa, fa ady hafa indray izao no hibaikoana ireto mpitsabo miaramila ireto, dia ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo (Kere),  mamely any amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny. Hanome tànana azy ireo ny Tafika !

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici