« Noely fifaliana 2025», io no lohahevitra nentin’ny fianakaviam-ben’ny Minisiteran’ny Foloalindahy, notarihin’Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Razafitombo Maminirina Ely mivady, nankalaza ny fetin’ny Krismasy ny sabotsy 20 desambra 2025 teo amin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy Ampahibe. Fanompoam-pivavahana no nanokafana ny lanonana, notarihin’ireo Ray aman-dreny ara-panahy eo anivon’ny fitaizam-panahy, ho fankasitrahana sy fangataham-pitahiana. Nitohy tamin’ny kilalaon’ireo zanaky ny mpiasa izany, narahin’ny soradihy sy seho nentin’ny Fikambanan’ny vady miaramila (FIVAMI) ary ireo solontenan’ny mpiasa, niaraka tamin’ny fanentanana sy fizarana hafaliana isan-karazany. Taorian’izay dia nandray fitenenana Andriamatoa Minisitra, izay nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny Krismasy ho fety mampiray sy mampifandray, ary fotoana hifampizarana fitiavana, tsiky ary hafanana. Nifarana tamin’ny fizarana nofonkena mitam-pihavanana ho an’ny mpiasa, ny zanany ary ireo zaza beazina ao amin’ny toby fitaizana ireo zaza kamboty zanak’ireo miaramila lavo am-perinasa eny amin’ny “La Pagode” etsy Atsimondrano, ny lanonana.
T.M.



