- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMinisitry ny Fitsarana : Manao fitsidiham-paritra momba ny fitsarana mitety vohitra

Minisitry ny Fitsarana : Manao fitsidiham-paritra momba ny fitsarana mitety vohitra

Raha avy tao Analanjirofo ny minisitry ny fitsarana izay mihazona ny fotombokasem-panjakana, dia tonga teto amin’ny renivohitry ny faritra Atsinanana izy sy mpiara-miasa aminy. Mikasika ny fanaovana ilay didy mahasolo soram-piankohonana sy ny kopia faobe ho ireo teratany Malagasy tsy mbola manana izany ny anton-diany teto Toamasina.

Maharitra 90 andro ny fanaovana azy ity ka manomboka ny 1 volana oktobra hatramin’ny 31 desambra 2022 ny hanaovana izany fitsarana mitety vohitra izany. Raha ny fanazavan’ny minisitry ny fitsarana araka ny tatitry ny minisiteran’ny atitany dia mahatratra telo tapitrisa eo ireo olona ampy taona tsy manana izany soram-piankohonana sy kopia mahasolo soram-piankohonana izany; nefa tafakatra dimy tapitrisa izany raha miaraka amin’ireo latsaky ny 18 taona hoy hatrany ny minisiteran’ny atitany. Efa nanomboka izany fitsarana mitety vohitra izany ho an’i Manakara sy Diana ary Sava, ho avy tsy ho ela koa anefa ho an’ny faritra Atsinanana araka ny nambaran’ny minisitry ny fitsarana hatrany. Ny tena olana hoy hatrany ny minisitry ny fitsarana dia amin’ny distrika 119 eto Madagasikara dia tsy misy afa-tsy distrika 46 ihany no misy sampam-pitsarana. Ankilan’izany dia voamarika nandritra ity valan-dresaka nataon’ny minisitra ny fitsarana ity, fa tsy misy ifandraisany amin’ny resaka politika ny fanaovana ity fitsarana mitety vohitra ho fanaovana kopia mahasolo soram-piankohonana ity. Ho fanomezana ny zo maha-malagasy ireo tsy manana izany no tanjona na dia eo aza ny filana izay avy eo amin’ny fanavaozana ny lisi-pifidianana hatao amin’ny lafiny fifidianana ny taona ho avy.

Ankoatra izany dia manana fiaraha-miasa amin’ny OIF ihany koa ny kaominin’i Toamasina amin’ny fanaovana ity fitsarana mitety vohitra sy kopia mahasolo sora-piankohonana, ka zaza sy ankizy ary tanora 11.000 no hanaovana izany amin’io fiaraha-miasa io.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici