- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversMinisitry ny Foloalindahy : «Nanotrona ny namany fa tsy nikomy ny lehiben’ny...

Minisitry ny Foloalindahy : «Nanotrona ny namany fa tsy nikomy ny lehiben’ny RFI”

Ny tsaho no marobe fa raha ny tena marina dia nanotrona ny mpiara-miasa aminy, amin’ny samy maha-miaramila, no tena nahatongavan’ny “Chef de corps” an’ny toby RFI teny amin’ny fitsarana ny alatsinainy lasa teo, raha araka ny fanazavan’ny minisitry ny Foloalindahy omaly, nandritra ny fiarahabana tratry ny taona azy sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria. Nentiny nanehoana izany fa tsy nisy velively ny fampiasana herisetra na koa ny fikasana hanao bodongerona hanohitra ny didim-pitsarana. Niteraka resa-be tokoa iny tranga tetsy Anosy iny satria betsaka koa ny olona eo anivon’ny vondrona hafa eo anivon’ny mpitandro ny filaminana no nahita mizana mitongilana ila, raha toa ka nekena ny fangatahan’ny lehiben’ny RFI. Mazava ny tenin’ny minisitra omaly fa tsy nisy fikasana hanohitra didy izany momba iny resaka iny. Raha tsiahivina dia tazonina eny Antanimora ireo miaramila 17 sy sivily telo izay voarohirohy tamin’ny halatra bala sy fikambanana amin’ny asa ratsy. Tao amin’ny fampirimana fitaovam-piadinan’ny toby BANI no very ireo bala.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser