- Publicité -
mardi, juillet 15, 2025
AccueilFaits-DiversMinisitry ny pôlisy : Notsaboina atsy amin’ny nosy Maurice

Minisitry ny pôlisy : Notsaboina atsy amin’ny nosy Maurice

Ny alakamisy teo ny Minisitra misahana ny filaminam-bahoaka no nanainga atsy amin’ny nosy rahavavy Maorisy, niaraka tamin’ny delegasiona. Nitsabo tena no anton-diany any an-toerana raha araka ny fanamarinana natao teo anivon’io vondron’ny mpitandro ny filaminana io. Fanindroany izay no nivoaka ny tanindrazana ny tenany mba hotsaboina ary samy tao amin’ny nosy rahavavy hatrany no nanaraka izany. Raha ny fantatra dia ny Praiminisitra no nanolo toerana vonjimaika azy mandritra izao tsy fahasalamany izao. Ministera roa izany no tantanan’ny lehihen’i Mahazoarivo amin’izao fotoana izao, ny Ministeran’ny Atitany sy ny Filaminam-bahoaka.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici