- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversMinisteran’ny Fitsarana : Nisy namaky, very ny fitaovana informatika

Ministeran’ny Fitsarana : Nisy namaky, very ny fitaovana informatika

Tonga teny an-toerana ny BC sy ny pôlisy siantifika.
Tonga teny an-toerana ny BC sy ny pôlisy siantifika.

Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo no nisy olona niditra dia namaky ny biraon’ny Ministeran’ny Fitsarana, etsy Faravohitra. Ny toerana dia misy mpiambina andro aman’alina, ary raha ny tombana dia teo amin’ny toerana fidiran’ny Minisitra sy ny olona ambony eo anivon’ny minisitera no nidiran’ireo olon-dratsy. Tany ambany rihana ary tao amin’ny departemanta iray misahana ny raharaham-pitsaràna no nitranga ny asaratsy. Novakiana ny trano dia nobataina tao ny solosaina sy ny kojakoja rehetra mifandraika amin’izany. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any no nitranga ny famakiana ilay birao. Omaly antoandro no tonga teo an-toerana ny pôlisy siantifika sy ny lehiben’ny sampan-draharahan’ny pôlisy misahana ny fanadihadiana mahakasika ny heloka bevava. Tsy mbola nisy ny fanazavana ôfisialy mahakasika ity raharaha ity saingy raha ny tsilian-tsofina heno teny an- toerana dia ahiana ny nisian’ny antontan-taratasy ara-pitsaràna very nandritra ity asan-jiolahy ity. Tsy nisy afa-tsy io birao io ihany no vaky, raha araka ny fanampim-baovao azo teny an-toerana. Tsy vao voalohany no nisian’ny minisitera vaky ary matetika dia tsy tonga hatramin’ny farany hatrany ny fanadihadiana. Ny tsikaritra ihany koa dia zara raha nisy  very rehefa mitranga izany. Mametra-panontaniana ny maro hoe raha hangalatra solosaina ve dia eo anivon’ny birao iray ihany no hanatontosana an’izany ? Andrasana ny vaovao ôfisialy…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici