
Mazava ary nahitsy ny tenin’Atoa Jeneraly Rakotonirina Richard, ministry ny Fiarovam-pirenena, nandritry ny fidinany ifotony tany amin’iny faritra Bongolava iny ny voalohan’ny herinandro teo, fa tsy lavitra fa eny anivon’ny fiaraha-monina eny ihany ireo dahalo ary manana mpiray tsikombakomba aminy, na olon-tsotra io na olom-panjakana na mpitandro filaminana. Nambarany tamin’izany fa misy mihitsy aza dahalo rain-dahiny, fantatra anarana, hitam-poko, hitam-pirenena, mivezivezy eny, any an-toerana ary mahavita manao fandrahonana isan-karazany sy miandry hosamborina fotsiny. Noho izany mila paik’ady matotra ny fametrahana ny ady atao amin’ireo olon-dratsy, hisian’ny fandriampahelamana maharitra ary indrindra ny mba hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny mpitandro filaminana. Mila miara-miasa ny rehetra, na ny mpitandro filaminana na ireo tompon’andraikim-panjakana, indrindra fa ny eo anivon’ny OMC.
Anisan’ny tafiditra ao anatin’izay paik’ady izay indrindra ny fanaovazana ara-drafitra eo anivon’ny Tafika Malagasy, izay misy fanatonana bebe kokoa ireo vahoaka, indrindra fa ho an’ireo tompon’andraikitra ary fiaraha-miasa matotra amin’ireo vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana eny ifotony. Nandritra ity fijerena ifotony ny zava-nisy, nataon’Atoa ministry ny Fiarovam-pirenena ity, izay marihana fa baikon’ny Filoham-pirenena amin’ny fanantanterahana ny velirano voalohany, no nametrahana ny Farim-piarovana sy fandriampahelamana, na « Zone de defense et de sécurité », nampitondraina ny anarana hoe « Tsiafajavona », izay ao anatin’ny fanovàna ara-drafitra ny Tafika. Hisahana faritra efatra izy io dia ny faritra Bongolava, Itasy, Vakinankaratra ary Amoron’i Mania. Heverina fa nosafidiana manokana hapetraka eo an-drenivohitry ny faritra Bongolava, ao Tsiroanomandidy ity ZDS Tsiafajavona ity noho ny fiarahan’ny rehetra mahalala ny maha-faritra mena izany faritra iny. Nandritra ny atrik’asa izay niarahan’ny Ministra sy ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tsokajiny avy, voafidim-bahoaka sy notendrena tany an-toerana no nampahafantarana ampahibemaso ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika vao avy notendrena, ny Jeneraly Sahivelo sy ny Lehiben’izany Farim-piarovana sy fandriampahalemana Tsiafajavona izany, niaraka tamin’ireo Solontena miaramila isam-paritra, efatra mirahalahy, hiandraikitra ireo faritra efatra ao anatin’izany. Nisy ihany ny famelabelaran-kevitra nataon’ny Ministra mahakasika ity fanovana ara-drafitra eo anivon’ny Tafika ity. Niara-nanamarika moa ireo tompondraikim-panjakana tamin’ny fandraisam-pitenenan’izy ireo tsirairay avy fa faritra mamokatra sy tokony handroso Bongolava kanefa hanjakan’ny asan-dahalo. Atao laharam-pahamehana sy vaindohan-draharaha mihitsy arak’izany ny fiaraha-misalahy amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, hisian’ny fampandrosoana ary vonona ny hifanome tanana amin’izany izy ireo.
m.L