Hentitra ary mahitsy ny tenin’Atoa Ministry ny filaminam-bahoaka omaly, raha nidina teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, mialoha ilay hetsika voalaza fa hataon’ireo mpiaron’ny zon’ny mpanjifa. « Misy ireo vahoaka miandrandra fandriampahelamana, avelao izy ireo hifety am-pilaminana fa aza hakorontana. Fa rehefa hisisika moa ireo olona ireo dia tsy maintsy handray fepetra mifanaraka amin’izay izahay ». Araka ny nambarany tokoa mantsy dia misy ireo andian’olona te hanakorontana fotsiny ihany. Mety tsy tamin’ilay hetsika saika natao omaly, saingy efa voamarik’izy ireo kosa tamin’ireo hetsika maromaro mahakasika ny olan’ny rano nitranga teto an-drenivohitra tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izay. « Misy anefa ireo olona minia manakorontana fotsiny sy manimba mihitsy aza ireo fotodrafitrasa entin’ny hizarana rano. Milaza fa mponina Ankatso izy ireo, kanefa rehefa nisy hetsika teny Ambatomaro dia mbola hita eny izy ireo. Mampitandrina aloha izahay fa raha mbola mitohy dia hiroso amin’ny dingana manaraka amin’izay ». Etsy andanin’izay, miantso filaminana avy amin’ny vahoaka ity tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny pôlisim-pirenena ity, manoloana ireo karazana fiantsiana korontana etsy sy eroa. « Raha ny resaka rano manokana dia efa hiaraha-mahalala ny fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka eto an-drenivohitra. Efa mandray andraikitra sy manao izay azony atao amin’izany fitondram-panjakana. Ka aoka isika rehetra mba tony » hoy hatrany izy.
Raha ny mahakasika ilay hetsika saika natao omaly tetsy Analakely dia nirava am-pilaminana izany. Efa niatrana vao maraina teny an-toerana ireo mpitandro filaminana. Ireo nisaka hanao izany kosa dia antoandro vao tonga teny, saingy nanaiky ny fandaminana nataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana ny mpitarika ary nandrava ireo olona niaraka taminy. Fantatra rahateo fa efa tsy nahazo fahazoan-dalàna manokana avy amin’ny prefektiora izany hetsika izany.
m.L