Mijaly mihintsy ireo vahoaka eo Toamasina suburbaine, fa miala ny ranobe nentin’ny rivo-doza “Gamane” farany teo, dia lasa mahazo vahana indray ny vaki-trano sy ny hala-botry noho ny fahatran’ny vahoaka andavanandro. Misy izany atao hoe “bande de 10” izany mampihorohoro olona amin’ny vaki-trano ao Toamasina suburbaine amin’izao fotoana izao. Ankilan’izany dia tsy mandry andro aman’alina ihany koa ireo polisy kaominaly mametraka ny filaminana ao an-toeranna, ka nisy ny fahatraran’izy ireo jiolahy mpamaky trano sy nanao hala-botry iray tratran’izy ireo tao Ambalatenina. Tsy inona no nangalaran’ity tovolahy ity fa dokotra sy gana miisa dimy tao an-tokatranon’olona iray tao an-toerana. Nihaiky ny zavatra nataony moa ity mpanagalatra tratra ny polisy kaominaly ity, fa amidiny eto Toamasina renivohitra ny entana halatra azony, ireo zanajanany kosa mbola ompiany vao amidiny. Vokatry ny tsy fisian’ny asa atao sy ny fitadiavam-bola rehetra mikatso any amin’izy ireo no antony nanaovana izao asa ratsy izao, hoy izy naloana ireo polisy kaominaly nisambotra azy. Tena miteraka zavatra ratsy ao an-tsain’ny ireo olona tokony hiasa izao zava-misy amin’ny tsy fiasan’ny asa sy fitadiavam-bola izao, tsy an-tanandehibe tsy ambanivohitra.
Malala Didier