- Publicité SW45 -
lundi, mars 31, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna sy Tsaratanàna : Mirongatra ny ambalavelona

Maevatanàna sy Tsaratanàna : Mirongatra ny ambalavelona

Anisan’ny nampitondra fahavoazana, hoan’ireo ankizy mpianatra ny trangana am-balavelona niseho, tamin’ity taona 2025 ity. Raha hojerena tokoa ny zava-nitranga, dia nahitana ankizy mpianatra voan’ny am-balavelona ny tao amin’ny CEG Mangabe ny volana Janoary taona 2025 teo iny, ka ankizy maromaro no mitabataba mafy sy mirifadrifatra tamin’izany, ary vao tsy ela akory, tamin’ny herinandro lasa teo dia nahitana ankizy mpianatra voan’ny am-balavelona ihany koa ny tao amin’ny CEG sy Lycée, ary ny EPP, tany amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Antsiafabositra. Saingy efa nisy kosa ny fandraisana an-drakitra nataon’ireo tompon’andraikitra any an-toerana sy ny mpampianatra, izay nifanarana tamin’ireo Ray aman-dreny mpianatra, amin’ny fiantso mpiandry, hiasana amin’ity tranga ity. Ny herinandro teo dia mbola nahitana ankizy mpianatra niisa efatra voan’ny am-balavelona ny tao amin’ny Lycée tsy miankina iray, any an-tampon-tanànan’i Tsaratanàna. Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici