- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMirongatra ny halatra lakolosy, lasibatra ny fiangonana Katolika sy Loteranina

Mirongatra ny halatra lakolosy, lasibatra ny fiangonana Katolika sy Loteranina

Bizina rapida, voazimbazimba ny tempolin’ Andriamnitra ! Mirongatra ny halatra lakolosim-piangonana amina kaominina maromaro any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, ary lasibatra ireo Fiangonana mivondrona eo anivon’ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara). Farany teo, afak’omaly naraimbe, raha ny vaovao voaray, dia notafihan’ny  jiolahy nirongo basy ny fiangonana katolika tany amin’ny distrikan’ Ankazoabo Atsimo, ary naharitra ora iray teo ho eo ny poa-basy nataon’ireo dahalo nampihorohoroana ny mponina, ka lasan’ny mpandroba tamin’izany ny lakolosim-piangonana.

Voambana basy pasitera. Efa lasibatry ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana toy izany koa ny fiangonana Loteranina sy Katolika tao Bezaha, distrikan’i Betioky Atsimo, ny tany Ambalabako, ka voambana basy ry pasitera mianakavy, ny tao Besimpona ny zoma teo vao mangiran-dratsy, izay samy nahaverezana lakolosim-piangonana avokoa. Amin’ny ankapobeny, raha ny fanazavana voaray, dia tsy amina tilikambo, fa mihantona amina tsanganan-kazo ny lakolosim-piangonana any ambanivolo ka mora amin’ny mpangalatra ny maka azy. Tato ho ato dia manerana ny Nosy mihitsy no nahenoana ity halatra lakolosim-piangonana ity.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici