- Publicité -
mercredi, novembre 12, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMirongatra ny lozam-pifamovoizana : Efatra ao anatin’ny iray andro, lasibatra ireo kodiaran-droa

Mirongatra ny lozam-pifamovoizana : Efatra ao anatin’ny iray andro, lasibatra ireo kodiaran-droa

Na io môtô nodomin’ny fiara, na io bisikleta voadonan’ny môtô. Ny alakamisy teo, maromaro no naratra nentina nihazo toeram-pitsaboana vokatr’izay loza izay.

Tetsy Behenjy, izay môto, nidona tamin’ny fiara, ary naharatrana olona roa tokony tamin’ny 11 ora antoandro tany ho any. Môtô handeha hianatsimo izy io, nihazo iny lalam-pirenena fahafito iny. Ilay fiara nandona kosa, tsy mataho-dalana iray handeha hiakatra aty an-drenivohitra. Ny anton’ny loza hatreto tsy fantatra mazava fa azo heverina avy hatrany fa vokatry ny fandehanana mafy sy fangalarana ny havia na ny havanana amin’ny arabe. Naratra mafy vokatr’izany ilay mpitondra moto sy ny olona nentiny ary voatery nampiakarina taty an-drenivohitra.

Fa toy izany ihany koa no nitranga tetsy Ambohibao, tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny. Môtô notrongisin’ny kamiao « citerne » iray, tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany hariva teo. Voalaza fa nisongona fiara ity môtô ary nifatratra avy hatrany tany amin’ilay fiarabe nifanena taminy.  Olona roa ihany koa no naratra mafy ka voatery nentina nihazo toeram-pitsaboana malaky. Marihana fa na dia nandriaka aza ny rà, tsy nisy aloha tamin’ireo no namoy ny ainy.

Ankoatra ireto roa ireto dia fantatra fa nisiana lozam-pifamoivoizana izay nahavoa kodiaran-droa ihany koa tetsy Mahamasina. Môtô indray no nifandona teo, mbola tamin’io andron’ny alakamisy io hatrany. Samy potika fananana izy ireo saingy kosa tsy nisy nanombinana ny ain-dehibe. Tamin’iny lalam-pirenena fahatelo iny, mihazo an’Anjozorobe indray kosa, dia bisikleta indray no nifandona tamin’ny môtô, tao anaty fiolanana.

Amin’izao tsy fisian’ny fiara fitaterana mampitohy ireo faritra maro amin’ny renivohitra tokoa dia maro amin’ireo olona no mamoaka ireo kodiaran-droany : na io bisikleta na io moto eny amin’ireo lalam-pirenena. Maro amin’ireo olona ireo ihany koa anefa no tsy zatra mihitsy mandeha amin’izany lalana izany ary ny tena loza aza dia ao ny sasany tsy mahay akory ny lalàna mifehy izany fifamoivoizana izany. Mihevitra ny tenany fa azy ireo irery ny arabe ka tsy misalasala akory ny sasany ny mandeha mafy be, ny mandeha eny am-povoan’arabe. Tsy ao an-tsain’izy ireo akory fa ny fiara fitateram-bahoaka ihany no tsy misy fa ny ankoatr’izay dia mbola maro ireo fiara hafa mampiasa ny lalana. Tsy atao mahagaga araka izany raha mitombo betsaka ireo loza.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici