Anisan’ny zava-dehibe eo amin’ny lafin’ny fampandrosoana ny fanohanana ireo tanora. Anton’ny tsy nisalasalàn’ny teo anivon’ny faritra bongolava, izay tarihin’ny governorany, ny jly Ramiaramanana Joseph, nanampy tosika sy nanome tso-drano ireto tovovavy roa, Razaiherimanantsoa Nanja Heritiana ,sy Andriamintatsoa Iavo Sarobidy, izay hiatrika ny dingan’ny am-pahefa-dalana amin’ilay lalao fifaninana hatsaran-tarehy « Miss Ile de Madagascar ». Izy roavavy ireto no hisolon-tena ny faritra niaviany, dia ny ao Bongolava izany. Marihana fa samy avy ao amin’ny kaominina Ankadinondry Sakay avokoa izy roavavy. Nandritry ny lahanteny nataon’ny Governora no nirariany soa ho azy roavavy ireto hahaleo hahalasàna ary ho tody soa hatramin’ny farany, hibata ny amboara hanandratra avo izay voninahitry ny faritra izay. Tao anatin’izay moa, tsy nitazam-potsiny ny teo anivon’ny Faritra fa nisy ny fanolorana vatsy ho azy mirahavavy, ho enti-miatrika izay fifaninana izay aty an-drenivohitra, ny alahady ho azy izao. Tetsy andanin’izay dia nitodika tamin’ny vahoaka fa indrindra ireo ao Bongolava ny tenany fa mba hanohana sy hisafidy azy ireo. « Hita fa mendrika fanohanana tanteraka izao mba ho reharehan’ny faritra Bongolava indrindra ny tanora toa azy ireo » hoy izy.
Nangonin’i m.L