Misy manararaotra sahady hanaovana fitadiavam-bola indray ankehitriny ny hetsiky ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana, midaty sy mikaroka an’i Arnaud izay misy mihazona an-keriny nanomboka ny 23 novambra teo. Taorian’ny fivoahan’ilay lisitr’ireo olona dimy ifampitadiavana ao Toamasina sy manerana ny nosy, dia misy indray ireo miketrika mamorona lisitra hafa any ambadika any ka ireo mpandraharaha sy ireo mpanam-bola ary ireo mpibizina indray no lasibatr’izy ireo amin’ny fampitahorana ataony. Antsoin’ireto andian’olona ireto amin’ny findainy ireo olona kendreny dia ampitahorina fa ao anatin’ny lisitry ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana isan’ny mpiray tendro tamin’ilay fakana an-keriny. Itakian’izy ireo vola be anefa ireo olona ireo, izay efa miisa 8 izao no tratran’izany araka io vaovaom-pitsarana io ihany, ka entina hanamboarana ny raharaha eo anivon’ny fitsarana no lazain’izy ireo entina mandresy lahatra ireo olona kendreny. Nilaza anefa ny lehibem-pitsarana ao Toamasina raha nanontaniana mikasika ity raharaha ity, fa tsy misy lisitra vita mialoha izany eo anivon’ny fitsarana misahana ny raharaha. Arakaraka ny fanadihadiana amin’ireo olona voasambotra sy ny fikaroham-baovao ataon’ny mpitandro ny filaminana ihany ny hetsika hatao rehetra. Koa raha misy izany lisitra mivoaka mialoha izany dia fisolokiana sy fitakiana vola tsy ara-dalàna aman’olona, ka tsy maintsy hanokafana fanadihadiana. Ankoatra izay dia fantatra fa naiditra am-ponja i Tida sy Brillant, ireo pôlisy roa voasaringotra tamin’ny raharaha. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny mpiandry fonja iray.
M.D