- Publicité -
dimanche, avril 6, 2025
AccueilFaits-DiversArtista marary : Misy misandoka mangata-bola sahady

Artista marary : Misy misandoka mangata-bola sahady

Vao niparitaka ny sariny sy ny fangatahana tolo-tànana ofisialy ny mba hanampiana ny fitsaboana azy any Lafrantsa dia avy hatrany dia nisy marobe koa ny mpisoloky amin’ny tambajotra sosialy nipoitra. Nanamafy avy hatrany ny havana akaiky, ny mpiara-mihira sy ny “manager” an’I artista Poon fa tsy misy afa-tsy ny rohy iray izay efa nozarain’izy ireo no azo andefasana ny fanampiana. Ny momba ny Mvola indray dia tsy misy afa-tsy ny an’ny vadiny no azo andefasana izany ho an’izay teram-panahy. Haingana amin’ny ratsy ny tambajotra sosialy ary indraindray dia mivaona tanteraka ny fampiasàna azy. Ao anatin’ny herinandro fotsiny dia efa karazan-javatra tsy azo eritreretina no mitranga, toa ny fisolokiana amin’ny anaran’olona izay efa miady mba ho velon’aina, ny fandefasana horonan-tsary mamoafady sns. Mila mihetsika mafy ny sampana miadidy ny heloka amin’ny aterineto. D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici