- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilSociétéLakandranon’i Pangalana : Misy ny fanadiovana hanamora ny fifamoivoizana

Lakandranon’i Pangalana : Misy ny fanadiovana hanamora ny fifamoivoizana

Niatomboka ny sabotsy teo ny fanadiovana ny lakadranon’ Pangalana noho ny baikon’ny filoham-pirenena, tamin’ny fanaovana ny filankevitry ny minisitra teto Toamasina, ny herinandro nivalona teo. Niara-dia tamin’ny fanadiovana izany ny depioten’i Toamasina I, ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Rtoa Naharimamy Irma Lucien sy ny governora teo aloha ny faritra Atsinanana Rafidison Richard Theodore ary teo koa ny talem-paritry ny APMF Toamasina. Araka io baikon’ny filoham-pirenena io dia mila madio sy lalina ny lakandrano mba hahafahan’ireo lakana sy vedety mampiasa ara-dalana ny lakandrano amin’ny fivezivezena fiotaomana entana sy varotra atao ary ireo mpizahatany. Atao mandritra izao hetsika fanadiovana ny lakandranon’i Pangalana izao, ny “dragage” na ny fenesorana ireo fasika manentsina izany, indrindra fa ny silany mihazo ny hopitaly be mandalo ao Morarano sy Tanamakoa iny, izay efa tena tsentsin’ny fasika sy ny loto ary ny fako tokoa. Heverina hitondra vokatra lehibe ho an’ny faritra Atsinanana izany, na amin’ny fiompiana trondro fotsiny izay mampalaza iny lakandrano iny. Tsy mitsahatra ny asa, hoy ny APMF, raha tsy vita ny asa rehetra amin’ny fanadiovana ny lakandrano manomboka ao Depot hatrany atsimo Atsinanana mandalo ao Vatomandry sy Mahanoro.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici