Tena tsy tery lalana ny ratsy amin’ity fisolokiana ity, fa amin’izao tetikasan’ny kaominina amin’ny fanokafan-dalana mba ahafahan’ny mpamonjy voina miditra ny Tanana raha misy ny loza. Raha ny vaovao voaray dia ramatobe iray tao amin’ny fokontany Analakininina hopitaly be vaki-paritra 12/21-22 no niharan’ity fisolokiana ity. Nilaza ilay mpisoloky fa mila mandoa vola 100.000 ariary aminy ity ramatoabe ity fa raha tsy izany dia tsy maintsy mihisaka fefiny. Vokatry ny tahotra tafahoatra tamin’ilay ramatoabe dia nitady hevitra ny tenany nandoavana ilay vola 100.000 ariary. Taty afarana anefa vao fantatra ilay ramatoabe fa mpisoloky ireto oloka naka vola taminy raha nanontany kaominina ny tenany. Izay no nahatonga ny kaominina nilaza fa tsy tokony hisy mihintsy olona na mpiasan’ny kaominina maka vola aman’olona noho ity hetsika sy tetikasan’ny kaominina ity, satria mahatsara ny rehetra no tanjona ary ny ahasoa ny isam-baravarana. Efa nanahy ny tranga fisolokiana tahaka izao ihany ny kaominina matoa nanokatra sampana misahana manokana mikasika ity hetsika fanakisahana fefy eto Toamasina renivohitra ity. Malalaka ny varavaran’ny biraon’ny Urbanisme ny kaomininan’i Toamasina renivohitra izay mila fanazavana fanampiny mikasika ity fanokafan-dalana sy mikasika ireo fefy tsy maintsy mikisaka.
Malala Didier