Efa ny taona 2017 no voalaza fa tapitra ny fe-potoana hiasan’ireo eo anivon’ny filan-kevim-pitantan’ny Smmec (société malagasy mutualiste d’epargne et de crédit) ao amin’ny Agence Tambatra, ary efa tokony hiroso amin’ny fifidianana ny mpikambana. Ny mahagaga anefa, hoy izy ireo dia mitarazoka hatrany izany ary saika mihemotra foana. Hany ka mampisy ny tsy fahatokisan’ireo mpikambana sasantsany intsony amin’ireo mpitantana. Fantatra moa izany nandritra ny fivoriambe nataon’ireo mpikambana teo anivon’izany orinasa izany, teny Talata Volonondry ny sabosy lasa teo. Lohahevitra maromaro no nodinihana tao ary anatin’izany ny tatitra ara-bola ny taona 2022 sy ny vina ho amin’ny taona vaovao. Tamin’io fotoana io ihany koa no nitondran’ireo mpikambana ny hetaheta sy ny maharary azy ireo, teo anatrehan’ny rehetra ary anisan’izany ity tsy mety fahatanterahan’ny fifidianana izay mpikambana vaovao eo anivon’ny filan-kevim-pitantanana ity. Tokony natao ny volana novambra lasa teo moa izany, kanefa noho ny antony tsy fantatra dia tsy tanteraka ary nahemotra indray. Mitaky araka izany ny ankabeazan’ireo nandray fitenenana ny mba hisian’io fifidianana io, ary hatao faran’izay haingana. Marihana fa somary niteraka savorovo kely nandritra ny fotoam-pivoriana izay fangatahana izay, kanefa niravona ihany ary nizotra am-pilaminana ny fotoana ary ireo tatitra nokasain’ireo birao mpitantana natao taorian’izay.
Nangonin’i m.L