- Publicité -
vendredi, novembre 7, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsy filaminana eto Toamasina renivohitra : Mitaky ny famerenana ny kaomisera Rafaliarivo...

Tsy filaminana eto Toamasina renivohitra : Mitaky ny famerenana ny kaomisera Rafaliarivo Jules ireo sefom-pokontany

Tena tsy mandry fahalemana raha i Toamasina tato ho ato izay raha ny zava-misy no jerena akaiky, raha tsy hiresaka afa-tsy ny zava-nanjo ilay mpirakidraharaha naratra mafy tao an-tranony. Vokatry ny zava-mitranga sy manjo ny olona raha mitranga ny fanafihana ataon’ireo jiolahy. Ny tena olana teto Toamasina dia ny famindrana ireo mpitandro ny filaminana tamin’ny toeran-kafa, tena maro tokoa, noho ny fandaminana, nefa nanakorontana zavatra maro ilay fepetra noraisina.

Nivoaka tamin’ny fahanginany ireo sefom-pokontany maro eto Toamasina, ka notakian’izy ireo ny ho famerenana ny kaomisera Rafaliarivo Jules, satria amin’ireto sefom-pokontany ireto dia izy ihany no mahafehy an’i Toamasina amin’ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana. Isan’ny mampitaraina ireo sefom-pokontany, raha mba miantso ireo mpitandro filaminana izy ireo, dia na izy ireo tsy misy mpandray, na izy ireo misy mandray ihany fa olona tsy mahay lalana, ka tsy afa-mihetsika izy ireo ao anatin’izany. Miankina amin’ny fanjakana misy ankehitriny ny zavatra rehetra, na hanaiky izany izy ireo na tsia, amin’ny famerenana ny kaomisera Rafaliarivo Jules izay efa mihazona toerana hafa ankehitriny.

Ankoatra izany dia saron’ny mpitandro filaminana ireo mpanendaka roa lahy nanendaka vehivavy teo amin’ny « Fanjava hotel » ny 03 novembra lasa teo. Raha ny fanazavana dia ilay tovolahy iray misintona ilay poketra , ny iray hafa niandry teo ambony « cyclo-pousse ». Nitsoaka izy roa lahy taorian’izany. Tsy lasa lavitra akory fa teo akaiky teo ihany dia voasambotra ny iray. Vokatry ny firaisan-kina teo amin’ny polisim-pirenena sy ny vahoaka nahatsikaritra ilay fanendahana no nahasamborana ilay mpanendaka iray tamin’ireo lahy. Tsy ela akory taorian’izay anefa dia voasambotra koa ilay tovolahy niaraka taminy, ka samy niatrika fakana am-bavany izy roa. Hiatrika ny fampanoavana amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany izy roa lahy tsy ho ela, mba hamantarana ny sazy ho azon’izy ireo.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici