Nambaran’ny oniversiten’i Toamasina fa mitohy hatrany ny fanatsarana ny efitrano fipetrahan’ny mpianatra, na “Campus Barikadimy”. Nambaran’ireo tompon’andraikitra misahana izany fa ny alarobia 07 aogositra ny fanarenana ity efitranon’ny mpianatra ity, ka tafiditra ao avokoa ny fanamboarana ny tafo sy ny varavarana isan-karazany ary ny trano fidiovana sy fivoahana. Tafiditra amin’izao fanarenana atao ho an’ny efitranon’ny mpianatra izao ihany koa ny famatsiana herinaratra sy fanatsarana izany ary ny resaka rano fisotro madio. Efa ny taona lasa ity fanarenana ny herinaratra sy ny rano ary ny trano fidiovana sy fivoahana ity, ka mbola mitohy izao ny ezaka atao mikasika izany ho tombontsoan’ny mpianatry ny oniversite. Nambaran’Atoa Prof Randrialahimady Solo talen’ny foto-drafitrasan’ny oniversiten’i Toamasina, fa ny hofan’ny efitrano fandoany mpianatra isan-taona, nampian’ireo fiaraha-miasa etsy sy eroa no nanaovana izao asa ho an’ny efitranon’ny mpianatra ireto. Manentana ihany ity tale ity amin’ny fandoavana isan-taona ho an’ny mpianatra ny hofan’ny tranon’ny oniversiten’i Toamasina ity, mba hahafahana manao asa tahaka izao isan-taona.
Malala Didier