- Publicité -
samedi, octobre 11, 2025
AccueilFaits-DiversFahasalamam-bahoaka Toamasina : Mitokona avokoa ireo dokotera mpiana-draharaha

Fahasalamam-bahoaka Toamasina : Mitokona avokoa ireo dokotera mpiana-draharaha

Tapaka ny alatsinainy teo nandritra ny fananganan-tsaina teo anivon’ny talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka hopitaly kely Tanambao I, dia raikitra ny fampiatoana ny asa rehetra ho an’ireo dokotera mpianan-draharaha eo anivon’ny hopitaly rehetra sy ny Csb II rehetra koa eto Toamasina nanomboka androany 09 oktobra 2025. Tahaka izany koa ireo syndika samy hafa eo anivon’ny talem-paritra, nahitana ny syndika ny mpiasa tsy raikitra – mpiasan’ny fahasalamana antsitram-po – ary ireo mpitsabo mpanampy sy “sage femme” ary ireo dokotera am-perinasa. Nilaza ny manjo azy ireo mpiasa tahaka ny mpiasa antselika eo anivon’ny hopitaly izay nandraisain’ny komitim-pitantanan’ny hopitaly fa rohaina na efa niasa nandritra ny 30 taona aza. Ireo mpitsabo sy ny mpitsabo mpanampy kosa ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ho 3.000 isan-taona mba hameno ny banga noho ny tsy fahampiana amin’ny isan’izy ireo. Nandritra ny hetsika koa no nilazan’ireto mpiasan’ny fahasalamana ny fampiakarana ny tambin-karama momba ny “risque” sy ny mikasika ny tambin-karama momba ny trano fonenana. Mahatsapa ny vahoaka sy ireo marary ary ny fianakavian’izy ireo fa tena mitatao ny loza ho an’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka vokatra izao fitokonana eo anivon’ny mpitsabo ara-panjakana Malagasy izao. Eo anivon’ny hopitaly manaram-penitra Morafeno no manao izao fitikinana izao ireo mpitabo sy mpitsabo mpanampy ary ireo mpiasa samy hafa eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamana. Nambaran’ireto mpitaky ireto tamin’ny kisoran-tsoratra sy ireo soram-baventy ny fitakian’izy ireo, mba ho hitan’ny minisitra sy ny filoham-pirenera ary ireo mpanaman-kevitra rehetra.

Malala Didier 

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici