- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversMitonona ho polisin’ny BC : Olona efatra voasambotra

Mitonona ho polisin’ny BC : Olona efatra voasambotra

Olona dimy no fantatra fa misandoka ho polisy avy ao amin’ny BC etsy Anosy. Sarona anefa ny zavatra  nataon’izy ireo niaraka tamina teratany karana mpividy volemena. Hatramin’izao dia efatra amin’ity tambazotra ity no voasambotra, ka anisan’izany ilay teratany vahiny. Tamin’ny alatsinainy teo, nisy olona nitonona ho polisy ary nisoloky mpivarotra volamena milanja 44 grama.  Vehivavy ity mitady mpividy ity. Nanatona ireny mpanera ireny teny Analakely izy. Natao avokoa ny fombafomba rehetra hatramin’ny fisedrana ilay volamena. Teo no niditra na-tsehatra ireo BC sandoka ary dia namiravira an’ilay ramatoa mpivarotra. Nandeha tany amin’ny biraon’ny polisy ilay vehivavy. Nihetsika avy hatrany ireto farany ary natao ny fanadihadiana rehetra. Tafaporitsaka ireo nitonona ho polisy. Tratra avokoa anefa ireo mpiray tsikombakomba aminy miisa efatra. Ilay ramatoa nivarotra niala maina  very an’io volamena io. Amin’izao fotoana izao dia efa mipetraka ny velapandrika hisamborana ireo polisy sandoka ireo.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser