- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMitsinjo : Dahalo rain-dahiny maty voatifitry ny zandary

Mitsinjo : Dahalo rain-dahiny maty voatifitry ny zandary

Ny zandary sy ny fokonolona nanao ny fanenjehana.

Nihena iray indray ireo mpanao ratsy, izay nampitondra faisana ny distrikan’i Mitsinjo iny. Dahalo raindahiny fantatra amin’ny anaram-petaka hoe Tanaky no maty voatifitry ny zandary tao amin’ny kaominina Antongomena Bevary, ny alatsinainy lasa teo.

Raha ny fampitam-baovao azo dia efa maro ireo olona nataon’ity olon-dratsy ity lasibatra tamin’ny alalan’ireo fanafihana mitam-piadiana isan-karazany sy ny halatra omby tany amin’iny distrikan’i Mitsinjo sy ny manodidina iny. Efa re laza hatramin’izay raha io anaran-dahalo io ary nampihorohoro ireo mponina. Efa ela toraka izay ihany koa, araka izany, no nanao ny fampikarohana azy ireo zandary tany an-toerana, saingy tsy hita tany nanjavonana ny lehilahy. Tamin’io alatsinainy io, nisy angom-baovao azo avy amin’ny olona tsara sitrapo fa miafina ao amin’ny tananan’Anjohibe, ao amin’ny kaominina Antongomena Bevary, izany dahalo rain-dahiny izany. Tamin’izay fotoana izay, nanao fisafoana sy hetsika fampandriana fahalemana tao amin’ny Vavarano Katsotso, tsy lavitra io toerana io ny zandary tarihin’ny lehiben’ny tobim-paritra tao Namakia. Nizotra avy hatrany tany amin’ilay toerana voalaza izy ireo, niaraka tamin’ny fokonolona. Vao nahatazana ireto mpisambotra azy kosa Ingahy dahalo dia nimpongatra avy ao amin’ny toerana niafenany ary nanao tari-dositra. Raikitra ny fifanenjehana. Nandefa fampitandremana ireto mpitandro filaminana saingy tsy nahoan-dranamana izany. Hany ka voatery nitifitra azy iretsy voalohany. Naratra vokatry ny tifitra nahazo azy ity olon-dratsy ity, saingy noho ny habetsaky ny rà very dia tsy tana intsony ny ainy. Natolotra ny fokonolona moa ny vatana mangatsiakany taorian’ny fitsirihana nataon’ireo tompon’andraikitra. Heverina fa mbola misy namany maromaro miriaria any, hoy hatrany ny fanazavana azo, ka tsy maintsy atao izay hikarohana azy ireo. Mbola mitohy araka izany ny famotorana ataon’ny eo anivon’ny zandary.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici