Ny faha-14 martsa 2016 teo tamin’ny fotoana hiampitana teo Katsepy no sarona ireo olona voatondro honangalatra omby tany amin’ny fokontany Ambararatabe, kaominina Antseza, tamin’ny faha-14 novambra 2015. Avy hatrany moa dia niantso zandary ny tompon’ny omby very, Atoa Nöel Félix dit Malandy, ary natao ny fisamborana. Raha ny vaovao fantatra dia efa imbetsaka no very omby ity olona ity. Tsy izy irery fa nisy olona hafa ihany koa. Hatramin’izay, araka ny vaovao, tsy hita mihitsy ny mpanao ratsy na dia efa nisy olona tratra ihany aza tany aloha tany tao Manaratsandry sy Tsitampiky. Nanao ny fanadihadiana sy ny famotorana ny zandary taorian’ny fiisamborana teny Katsepy ka avy amin’izany no nahafantaran’izy ireo fa misy delege ao amin’ny disitirika manao famotsiana omby halatra. Efa nisy, hoy ny vaovao, no tratra teo « ambodiomby », araka ny fiteny. Fa ny tena zava-doza fantatra, avy amin’ny fanadihadiana ihany, nandritra ny taona 2013-2014, nanao fanisana tamin’ny bokin’ombin’ilay olona voalaza anarana etsy ambony ilay tompon’andraiki-panjakana. Vita soa aman-tsara izany. Ny taona 2015 anefa, hoy hatrany ny vaovao voaray, nivadika amin’ny anaran’olon-kafa ireo omby. Raha ny marina kokoa dia lasan’ireo voatondro fa mpanagalatra. Taorian’izany, milaza ireo mpanao ratsy fa hoe tsy misy tsy vitan’ny vola hono, eto.
Eo anatrehan’izany zavatra izany dia manao antsoavo amin’ny minisiteran’ny Atitany ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, amin’ny maha minisitera mpiahy azy an’ity olona voatonontonona ity, sy ny minisiteran’ny Fitsarana ary indrindra ny tompon’andrikitry ny fitsarana ao Mahajanga, mba hijery akaiky ity traga ity izay efa lasa mampiraviravy tanana ny mpiompy any amin’ny faritra voatonona etsy ambony.
Nangonin’i r.s.