Omaly no notontosaina teny anivon’ny tobin’ny FIGN teny amin’ny Fort Duschene ny fifamindram-pahefana teo amin’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena teo aloha, ny Jly Jean Herbert Rakotomalala sy ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena vaovao, ny Jly Nonos Mbina Mamelison, izay vao notendren’ny teo anivon’ny FIGN, ny alahady lasa teo. Tao anatin’ny firahalahiana tanteraka no nananterahana izany fifamindram-pahefana izany, ary nitso-drano rahateo ity zandriny, « hahaleo hahalasàna », « havita misimisy kokoa noho ny teo aloha » moa ny Jly Herbert. Tetsy andanin’izay dia nanamafy hatrany ny fitoniana, firaisankina eo anivon’ny samy foloalindahy ny ComGN vaovao ary tsy hijery afa-tsy ny adidy masina nampiandraiketina ny mpitandro filaminana. « Miverina amin’ny maha-matihanina ny zandary hoy izy, ary tsy azo ekena intsony ny fihoaram-pefy. Hatsahatra ny herisetra hatao amin’ny vahoaka ary hisy ireo fepetra raisina momba ireo nanao izany. Miantso ny fianakavian’ireo izay manana maratra hanatona ny biraon’ny zandary fa hisy ny fandraisana an-tanana hatao». Tetsy andanin’izay dia mbola nanamafy ihany koa ny tenany fa « tsy mandray baiko na avy amin’iza na avy amin’izay ny Fibaikoana ny zandarimariam-pirenana, ary ny Fibaikona tokana irery ihany koa no mibaiko ny zandary». Miantso ny zandary araka izany hiverina an-dakazerina, handray ny baiko vaovao.
Marihana fa taorian’izay ity fifamindram-pahefana ity dia nandray ny asany avy hatrany ny Kaomandin’ny zandary vaovao ary nambarany fa miverina eny anivon’ny Toby Ratsimandrava ny foibe fibaikoana ny zandarimariam-pirenena. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ity lanonana ity moa ny Ministry ny foloalindahy malagasy, ny Jly Deramasinjaka Rakotoarivelo, ny Ministra delege misahana ny zandarimariam-pirenena, niaraka tamin’ny Cemgam, ny Jly Demosthene Pikulas, ary notronin’ireo manamboninahitra ambony teo anivon’ny zandary sy ny tafika.
m.L