- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversMarais Masay : Miverina indray ny mpanjono

Marais Masay : Miverina indray ny mpanjono

Tsy misy tahotra intsony. Amin’ny andro antoandrobe nanahary dia efa manao ny asany ireo mpanjono trondro maloto. Tany aloha tany dia efa betsaka no voasambotra ary niditra am-ponja mihitsy aza noho ny fandikàna ny lalàna kaominaly mandràra ny fanjonoana ao amin’ny farihin’i Masay. Izao anefa dia miverina indray ny gaboraraka ary manao izay danin’ny kibony ireo mpanjono, manaram-po maka trondro ao. Ireo trondro dia mazava ho azy fa na avadika trondro maina na havantana eny amin’ireny toeram-pisakafoanana ireny. Misy koa anefa, araka izay hita tany aloha tany, atsofoka amin’ny dobo madio ary rehefa mivadika ny lokony dia amidy amin’izay. Izany rehetra izany anefa dia miendrika famosaviana ny mpiara-monina izay mihinana ireo hazan-drano hatrany. Andrasana ny fiverenan’ny fandraisana fepetra mba hiarovana ny fahasalaman’izay mety ho tsy mahafantatra ka manjifa.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici