Tandin-doza ireo mpiasa an’arivony sy ireo mpanao asa maro manasa ao eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina amin’izao. Efa tonga hatreny mantsy ny valan’aretina Coronavirus amin’izao, nefa ireo mpiasa ireo ety an-tananan’i Toamasina avokoa no mody sy mivezivezy. Raha ny fanazavana dia ny 04 janoary teo no voan’ny Covid-19 Tpkl R. James, tela misahana ny “informatique” eo anivon’ny Spat, io andro io ihany izy maty ary tsy maintsy nalevina ny 04 janoary ihany araka ny baikon’ny mpitsabo. Tsy niandry ela fa ny alakamisy 06 janoary ihany koa dia renim-pianakaviana Tpkv R. Aimée, efa misotro ronono fa mbola nomena asa teo anivon’ny Spat ihany noho ny traikefany, ny andron’io ihany no nandevenana azy araka ny baikon’ny mpitsabo hatrany. Ireo tranga roa ireo dia azo itarafana avy hatrany ny fihazakazaky ny valanaretina mandoza ity eto Toamasina. Raha ny filazana mpitsabo dia mora miparitaka be ity valanaretina ity izay mody sery mahery vaika ny fiatombohany dia variana amin’ilay sery ny voany dia tsy mamonjy toeram-pitsaboana, nefa mihombo ny aretina aty aoriana. Anikalan’izany teo anivon’ny Spat manokana dia tsy nisy fiatraikany ny fitarainan’ny mpiasa noho ny fahambangan-toerana tsy naha-teto Toamasina naharitra ny tale jeneraly efa ho 15 andro, nialohan’ny nivereny teto Toamasina ny 05 janoary lasa teo. Raha ny angom-baovao mantsy dia lasa manao toetra misy fiovana ny tale jeneraly ankehitriny, “In-02 nandevina mpiara-miasa izahay tao anatin’ny 48ora, nefa tsy natrehan’ny tale jeneraly izany”, hoy ireo mpiasa. Tsy vitsy vokatra izany ny mpiasa no milaza fa lasa zavatra hafa ny mahavariana ny tale jeneraly fa tsy ny mpiasa tahaka ny nataony teo aloha.
Malala Didier