Mizotra miandalana ny fanavaozana ny biraon’ny kaominina Mahavelona Foulpoine. Roa volana latsaka izao no efa nirosoan’ny asa, marihina fa 7 volana no faharetan’ny fanamboarana.
Tsiahivina fa kaominina roa avy amin’ny distrika Toamasina faharoa no nisitraka ny fanavaozana ny biraon’ny kaominina dia ny kaominina Antentezambaro sy ny kaominina Mahavelona Foulpointe.
Tafiditra ao anatin’ilay tetikasa PIC3 izy ity izay vatsian’ny banky iraisam-pirenena vola.
Tsy fanavaozana fotsiny ihany no natao ho an’ny kaominina Mahavelona Foulpointe fa misy mihitsy ny fandravana rindrina maro noho ny fanitarana ny birao hoy Ranaivoson Sampy Elin ben’ny tanana raha nanatanteraka ny fitsidihina fanaony isan-kerindro ny fotodrafitrasa. Hiova endrika ny birao hoy ngahy ben’ny tanana ary hanaraka ny fenitra takiana ity birao vaovao hatsangana ity, ny orinasa OTI no miandraikitra ny fanamboarana.
Notsipihan’ny ben’ny Tanana fa nafindra ao amin’ny “Centre social” ny birao vonjimaika mandra-pavitan’ity fotodrafitrasa vaovao ity ka ilazana hatrany izay mila raharaha ao amin’ny kaominina hanantona ao amin’ny birao vonjimaika ankoatra ny taratasy mahakasika ny soram-piankohonana, tsy niova ihany koa ny BIF na Birao Ifoton’ny fanan-tany fa ao ambadiky ny kaominina nasiam-panavaozana hatrany.
Andry N.