- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMLE : Mpanao gazety roa hafa indray hampanantsoin'ny zandary

MLE : Mpanao gazety roa hafa indray hampanantsoin’ny zandary

Omaly no tonga ny taratasy fampananantsoina an’ i Fetra Rakotondrasoa izay mpitondra tenin’ny fikambanan’ny mpanao gazety miady amin’ny fahalalàhana maneho ny hevitra. Ao amin’ny borigady misahana ny raharaha heloka bevava ary koa ny raharaha manokana (brigade spéciale) no hanaovana fanadihadiana azy raha araka ilay taratasy. Io sampan’ny zandary izay manana ny biraony ao amin’ny toby Ratsimandrava io dia fantatra kokoa noho ny fisahanany ny raharaha mahakasika mpanao pôlitika miady amin’ny fitondràna, isan’ny kirakirainy ny dosie Lylison sy ny maro hafa. Ny zoma lasa teo no nandalo nohadihadiana tao i Barry Benson, ilay mpisehatra sy manentana ny « #tsy_mahaleo_ny_sampona » izay nalefa tamin’ny haino aman-jery. Raha noheverina fa momba ilay fandaharana no nampiantsoina azy tamin’io, raha araka ny fanazavany taorian’izay, dia noho ny antony nanaovany fanamiana miaramila nandritra ilay fisehoana, no vesatra nanenjehana azy. Talohan’io, raha hiverenana kely, dia nisy naka ny mamany mba hoentina hanerena azy hipoitra. Anio indray, dia mpanao gazety izay isan’ny mpitarika ny MLE sady isan’ny tompon-kevitra tamin’ny famoronana ny fandaharana voalaza etsy ambony no hampanantsoina. Na resaka fanamiana indray na inona no antony hampanantsoina azy, tsy adala akory ny mpanara-baovao ka tsy hahatakatra fa endrika ramatahora sy fanapenam-bava ity mitranga ity. Firifiry moa ny olona manao fanamiana miaramila eny an-dalana, firifiry koa ny mpivarotra an-kahalalahana izany akanjo izany eny an-tsena. Tamin’ny andron’ny jeneraly baomba no tena nalaza ny fandraisana fepetra momba izany ary taty aoriana dia toa niverina nalalaka indray ny fanaovana fanamiana eny an-dalana. Manaraka izay, efa mazava fa « parodie » na endrika fanaovana dika mitovy ny fihetsika sy fiteny no natao, dikany, raha hanao dika mpitandro ny filaminana izany dia akanjo inona no tokony hanaovana? Any ivelany dia ilay olona hanaovana dika mihitsy no atao miendrika saribakoly mihetsika (guignole) ary mahazaka an’izany ny olo-malaza rehetra satria hainy fa endrika iray entina hampitam-baovao ny fampiomehezana. Miverin-dàlana tanteraka isika raha eo amin’ny fahalalahana maneho hevitra. Efa nokianin’ny mpanara-maso iraisam-pirenena izany ary koa nahazoana tsiny tany Genève nandritra ny fanaovana tatitra iraisam-pirenena momba ny fanajàna ny zon’olombelona farany teo. Hitodika etsy amin’ny toby Ratsimandrava indray izany ny mason’ny mpanara-baovao anio

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici