- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-Divers“Mobile banking” : Feno mpisoloky mandefa sms

“Mobile banking” : Feno mpisoloky mandefa sms

Faran’izay tsotra ny fomba hametsen’ireo mpisoloky. Raha olona taitaitra dia tafaroboka mora foana ao anatin’ilay fitaka bevava. Toy izao ny fanaon’izy ireo : mandefa hafatra fohy amin’ny finday (sms) amin’ny olona izy ireo ary milaza fa voapetraka soa aman-tsara ao anaty kaonty “mobile banking” ny teti-bola iray. Miovaova io vola io, saingy volabe hatrany foana kosa. Mazava hoazy mba hoentiny mora hamitahan’izy ireo ny olona. Tamin’ity indray mitoraka ity, dia mitentina 30 tapitrisa ariary ny voalaza fa nitontona ao anatin’ny kaontin’ny olona nandefasana sms. Ary dia toy ireny hafatra fohy avy amin’ny orinasa misahana ny mobile banking ireny mihitsy no azon’ny olona hatao lasibatra. Misy ny olona ny roboka noho ilay mana sandoka izay nilatsaka avy any an-danitra ary miantso avy hatrany. Dia teny misy mamaly tokoa ary manazava sy manome toromarika. Any amin’ny faramparan’ny resaka dia asainy mandefa vola amin’ny laharana izay omeny ary izany dia mba hahafahana mamindra ny vola ao anatin’ny kaonty ka hahafahan’ny olona maka avy hatrany ny vola eny amin’ny toerana fangalana izany. Dia mazava hoazy fa misy ny roboka ao anaty fandrika ary misy koa ny efa mailo ka tsy tafiditra amin’izany.  Vao mandefa ilay vola izay amin’ny alàlan’ny “mobile banking” ihany ka miverina miantso avy eo, avy hatrany dia tsy misy mandray intsony ny antso na koa maty ny telefaonina. Eo vao tonga saina fa fisolokiana tsotr’izao no nitranga. Misy koa ny olona no milaza fa vao mamaly ny antso ataon’ireo mpisoloky dia efa vitan’izy ireo ny miditra ao anatin’ny tahiry anaty kaonty an-telefaonina. Toe-javatra izay tsy fantatra izay fahamarinan’io, satria misy teny miafina rah any tokony hoizy rehefa mikirakira kaonty amin’ny “mobile banking”. Na izany aza, ahoana ny fomba hamantaran’ireo mpisoloky ny anaran’ny tompon’ny nomerao sy ny mombamomba azy? Ny anarana feno izay nosoratana tany amin’ny orinasam-pifandraisana mantsy no hita ao anatin’ny sms izay alefan’ny mpisoloky. Izany anefa dia tokony ho ny orinasam-pifandraisana ihany no mahafantatra azy ary tazoniny ho tsiambaratelo. Mampiahiahy arak’izany ny fisian’ny firaisana tsikombakomba ao anatin’ny raharaha mpisoloky amin’ny sms  sy “mobile banking” ity. Mendrika ny hosamborina ary tsy tokony ho sarotra akory ho an’ny mpitandro ny filaminana ny mamandrika ireo mpisoloky satria mipoitra eo ny laharana ampiasain’izy ireo (olon-dratsy) ary mamaly antso izy rehefa antsoina.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici