- Publicité SW45 -
lundi, octobre 14, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMontagne d’Ambre : Mpizaha tany 15 voatafika

Montagne d’Ambre : Mpizaha tany 15 voatafika

Tao anatin’ny roa volana, indroa no nisy fanafihana mitam-piadiana tany an-toerana

Dahalo 7 mitondra fitaovam-piadiana no nanafika ny mpizaha tany tao amin’ny Montagne d’Ambre ny sabotsy tokony tamin’ny 1 ora sy sasany. Nisaron-tava  avokoa ireo mpanafika ireo, araka ny tantarain’ireo « guide » nitondra  azy ireo. Lasa ny vola, ny téléphone, ny ordinateur, portable, passeport. Misy andiany efatra ireo mpizaha tany voatafika ireo, tao ny ekipan’i Horlando, Zakamisy, Henri ary Jomba.  Tany  amin’ny lalana nandeha any amin’ny  LAC no nitrangan’ny fanafihana. Tsy sambany no nisy fanafihana mpizaha tany toy izao tamin’ity toerana ity. Tsy ampy roa volana akory izay ny voalohany.  Tamin’ity farany ity dia fitaovam-piadiana mahery vaika,  kalaky, no nampiasain’ireo jiolahy ireo  nandravana ireo vahiny.

Nanao antso vonjy ny tany amin’ny montagne d’Ambre. Tsy niandry ny zandary fa tonga dia nanao izay ho afany nanenjika ireo dahalo ireo. Matahotra mafy ireo vahiny amin’izao amin’ny hiverenany  any an-tanindrazany. Ny zandary no nandray an-tanana ny fanadihadiana rehetra momba io raharaha io.

Mety tsy hisy mpizaha tany handeha intsony mihitsy any amin’iny faritra iny raha izao no mitohy. Raha ny resaka mandeha amin’izao mantsy dia tsy haniraka ny namany ho aty Antsiranana intsony ireo mpizaha tany. Anisan’ny fidiram-bola amin’iny faritra iny anefa ny fahatongavan’ireo vazaha marobe. Hisy fiantraikany amin’ny asa sy ny fampandrosoana ny faritra DIANA izao tranga izao. Mila fandresen-dahatra, fanazavana  avy amin’ny tompon’andraikitry ny fizahan-tany ny hanazava  io fandehan-draharaha io.

V.JCL

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser