- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMorafeno : Ady amin’ny asan-dahalo, tratran'ny zandary i Fohikely sy ny namany

Morafeno : Ady amin’ny asan-dahalo, tratran’ny zandary i Fohikely sy ny namany

Nahazo fiara naenjehana ireo dahalo ny zandary.

Nitsehoana fanafihan-dahalo nirongo fitaovam-piadiana tany Ambobaka fokontany Ankobakobaka, kaominina ambanivohitr’i Morafeno, distrikan’i Befandriana Avaratra, ny faran’ny herinandro teo, tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Nanao ny fanarahan-dia ny zandary nampian’ny fokonolona ka azo teny am-pelatanan’ireo dahalo ny omby miisa folo raha lasa nandositra kosa ireo olon-dratsy. Nifandona ny roa tonta ka naratra tamin’izany ny tompon’omby. Ny fampitam-baovao voaray amin’ny zandary, fantatr’ilay tompon’omby ny iray amin’ireo dahalo ka niainga avy amin’izany no nahafahana nisambotra an’i Dede na i Fohikely, izay efa fantatry ny olona any Ankobakobaka, tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Nandritra ny famotorana azy no nanondroany ireo namany, saingy tafaporitsaka izy ireo. Ity farany, izay nalain’ny zandary mba ho fisorohana ny mety ho fitsaram-bahoaka, ka tazonina ao amin’ny tobim-paritra Befandriana Avaratra. Nitohy ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana ka tratran’ny zandary tao amin’ny fokontany Anjiabe Antsohihy ny dahalo iray hafa antsoina hoe Iadan’ny Vaety. Ity farany ity indray no nanoro ny toerana nisy ireo namany hafa. Nanamafy ny zandary fa noho ny « Tagnamaron’ny fandriampahalemana » no nahitana izao vokatra izao. Nifanome tanana tamin’ny zandary koa ny depiote voafidy tao Befandriana Avaratra Prezaraly Parfait Jonah ka nanome fiara tsy mahataho-dalana nahafaha-nisambotra ireo dahalo ireo haingana dia haingana. Porofo izao, hoy ny fanazavana fa misy ary mipetraka ny fifampitokisana sy ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny olom-boafidy, ny Fitsarana, ny vahoaka ary ny Zandary. Mitohy ny famotorana sy ny fikarohana ny dahalo roa, izay mbola tsy azo dia i Trelasy sy Rochel.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici