Hatreto aloha dia mbola sarotra ny hilaza fa voafehy ny tsy fandriampahalemana ato amin’ny faritra Betsiboka na dia eo aza ny ezaka goavana, iaraha-mahita ataon’ny mpiatandro ny filaminana. Mitranga izany na amabanivohitra na eto an-tampon-tanànan’i Maevatanàna, toy izay vao niseho tao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina Maevatanàna voalohany, ny aliny 26 Desambra 2023 teo, raha ny marimarina kokoa tamin’ny valo ora sy fahefany. Tokantrano iray indray no niharany fanafian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana io alina io. Araka ny loharanom-baovao voaray dia tsy voafaritra ny isan’ireo malaso, fa mpandanja volamena iray fantran’ny be sy ny maro amin’ny solona anarana hoe : Lava no notafihan’ireo tsy mataho-tody ireo. Niditra an-keriny tao izy ireo rehefa avy namaky ny vararam-be no nanapoaka basy. Vao tafiditra tao ny malaso tonga dia nandrahona ny olona tao anaty trano, ka tsy afa-nihetsika intsony noho ny tampoka tsy nampoizina ny olona roa tratran’ireo dahalo, tsy iza izany fa ramatoa vadin’ilay mpandanja volamena sy ramatoa mpanampy efa lehibe, ary nodarodaron’ireto farany izy roa, rehefa tsy tazana sy tsy tao an-trano Ralava tamin’io ora voatondro etsy ambony io. Rehefa tsy nahatazana Ralava izay nokasaina hotafihana ireo jiolahy dia tari-dositra nitsoaka, ary tsy nitondra na inona, fa ireo vehivavy roa fotsiny no lamasin’izy ireo tamin’ny daroka alikan’ny tsy miala-vola hoy ny fiteny mahazatra izay. Minitra vitsy taty aoriana ny fanafihana dia tonaga nijery ny zava-nisy nanao ny farahan-dia ny polisy sy ny Zandary manao fisafoana amin’ny alina eto Maevatanàna. Tonga ihany koa Ralava rehefa nahazo antso tamin’ny telefaonina, fa nisy nanafika ny tokan-tranony. Marihina fa teo akaikin’ny trano fianaram-panjakana iray Ceg Benoît Bevava no nisehoan’ny fanafihan-dahalo, ary tsy nisy kosa aina nafoy, fa ireo ramatoa roa ihany no naratra. Mbola mitohy moa ny fanarahan-dia ataon’ny mpitandro ny filaminana aty an-toerana an’ireo jiolahy.
Ratantely